les Evènements

  • Il n'y a aucun évènement
< Février 2012 >
Lun Mar Mer Jeu Ven Sam Dim
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29        
Acceuil Actualités FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FAHASALAMAN’NY MASO, 13 OKTOBRA 2011

FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FAHASALAMAN’NY MASO, 13 OKTOBRA 2011

Journée Mondiale de la Vue Araky ny tapaky ny Fikambanam-be Iraisam-pirenena misahana ny Fahasalamana (OMS), dia ny herinandro faharoan’ny volana Oktobra no natokana hankalazana ny Andro Iraisam-Pirenena ho an’ny Fahasalaman’ny Maso (Journée Mondiale de la Vue). Koa amin’ity taona ity dia androany Alakamisy faha 13 oktobra 2011 no natokantsika Malagasy, miaraka amin’izao tontolo izao, hankalazana izany.


Tamin’ny taona 2004 isika Malagasy no nanao sonia nanaiky hanatanteraka ny Fandaharan’asa iombonan’ny firenena rehetra antsoina hoe: “Vision 2020, le droit à la vue”,  izay mametraka tanjona hanafoana ny fahajambana azo sorohina hatramin’ny taona 2020. Ka isan’ny paik’ady novolavolaina tamin’izany ity fankalazana ity mba hanentanana ny hery velona rehetra ato amin’ny firenena hifanome tànana.

“Maso salama, mitondra fivoarana” no lohateny nofinidy tamin’ity taona ity. Raha ny tsy fahasalaman’ny maso tokoa no resahina dia iarahantsika mahalala fa vesatra lehibe eo amin’ny fianakaviana, eo amin’ny fiaraha-monina, eo amin’ny firenena ny fahajambana. Koa ny fikarakarana ny fahasalaman’ny maso dia hampivoatra ny fiainan’ny tsirairay, ny an’ny fianakaviany ary ho an’ny firenena iray manontolo.



Maro ny hetsika karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miaraka amin’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, ary efa nanomboka andro maromaro izany. Izany dia natao hanentanana ny tsirairay hahatsapa fa zava-dehibe ho an’ny rehetra ny fahitana sy ny fananana maso salama.

Tsapa sy hita fa samy manao ny ainy tsy ho zavatra mpiara-miasa manerana ny Faritra eo amin’ny fampandrosoana ny asa. Ka izany no antony nisafidianana an’i Toamasina hankalazàna izany andro izany tamin’ity taona ity.
-    Efa andro maromaro izao no natao tany ny fanadihadiana ahazoana tarehi-marika hitarafana ny fahasalaman’ny maso eto amintsika, izany dia mba hananantsika ireo antontan’isa ilaina satria hatramin’izay dia avy amin’ny antontan’isa an’i Afrika no nanaovana ny paik’ady hiadiana amin’ny aretin’ny maso teto amintsika.
-    Any Toamasina koa manao ny fivoriana fanaony isan-taona ireo Dokotera manam-pahaizana momba ny fitsaboana maso manerana ny Nosy, ka ankoatra ny fandalinam-pahaizana sy fifampizarana traikefa dia nifandimby koa izy ireo nanao asa fandidiana tao amin’ny Hopitaly efa andro vitsivitsy izay. Nisy arak’izany ny fandidiana maimaim-poana natao tamin’ireo olona manana takaitra amin’ny maso, izay tanterahina miaraka amin’ny mpitsabo manam- pahaizana manokana avy any ivelany.
-    Any Maroantsetra koa amin’izao fotoana izao dia misy asa fandidiana katarakta sy areti-maso hafa ho an’ny mponina any amin’iny faritra izay saro-dalana iny, izany dia iarahan’ny mpitsabo maso Malagasy sy vahiny.

Maro ny ezaka efa natao toy ny fanapariahana ny toeram-pitsaboana maso any amin’ny Faritra, ny fanatevenana ny fitaovam-piasàna, ny fanofanana ireo mpitsabo sy mpitsabo mpanampy. Mbola ho lavitra ezaka anefa ny dia satria ny toe-trano tsy efan’irery, ary Madagasikara tsy vita indray andro.

Etoana dia maneho ny fisaorana feno fankasitrahana ireo mpiara-miombon’antoka rehetra amin’ny fiarahana mitantsoroka ho fanatsarana ny fahasalaman’ny maso ny Fitondram-panjakana amin’ny alalàn’ny Ministeran’ny Fahasalam-Bahoaka.

Koa alao hery ary Tompokolahy sy Tompokovavy fa ny fahasalamana no voalohan-karena.

Misaotra Tompokolahy, mankasitraka Tompokovavy.


Voir Aussi :
This channel provides the five most recent WHO news articles.