Ankalazaina eto Ampefy ny faha 24, 25 sy ny faha 26 mai 2011 ny andro nasionaly ho an’ny Fahasalaman’ny Nify sy ny Ati-vava. Nofidiana ity kaominina ity satria tsy mbola manana toeram-pitsaboana nify sy ati-vava.
Ampiarahana amin’ny fitsaboana ataon’ireo mpitsabo nify avy amin’ny faritra telo : Itasy, Bongolava ary Analamanga ireto hetsika hafa ireto:
- Fizahana ny aretina ankapobeny izay ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana Itasy.
- Fizahana maso iarahana amin’ny SALFA Ambohibao sy HJRA ary ny mpitsabo miara-miombon’antoka amin’ny fari-piadidiampahasalamana Itasy.
- Fitiliana aretina diabeta ataon’ny AMADIA Antananarivo.
- Fitiliana VIH ataon’ny PSI.
- Fanentanana mikasika ny sakafo ara-pahasalamana ataon’ny Organisation Régionale de la Nutrition.
- Fizahana ny aretin’ny biby fiompy ataon’ny dokotera vétérinaire avy amin’ny académie militaire Antsirabe.
Toerana telo no anaovana ny fizahana:
- Ampary: Tranompokonolona
- Ampefy: Espace Relais de la Vierge sy ny CSBII Ampefy
- Analavory : biraon’ny kaominina
Marihina fa maimaimpoana avokoa ny fizahana (consultation) sy ny fanafody amin’ireo fotoana ireo.
Ankoatra ireo dia hisy ny fanolorana amin’ny fomba ofisialy ny fitaovana ‘’Autoclaves” avy amin’ny AOI (Aide Odontologique Internationale) ho an’ireo hopitaly ato amin’ny faritra. Misy ihany koa ny tranoheva maromaro azo tsidihana.
Miara miasa amin’ity fankalazana io ny andro nasionaly ho an’ny fahasalaman’ny nify sy ny ati-vava ity ny Direction Régionale de la Santé Publique Itasy, ny Service du District de la Santé Publique telo avy ao Miarinarivo, Arivonimamo ary Soavinandriana. Ny Centre Hospitalier de Réference Régional Itasy sy ny mpiara-miombona antoka toy ny Academie Militaire Antsirabe.
Koa manentana ny vahoaka eto amin’ny faritra sy ny manodidina mba hanatona ireo toerana ireo.
| Voir Aussi : | |