Boky « Protocoles : Urgences Pédiatriques et néonatales », miisa 3000 no natolotry ny « Société Malgache de Pédiatrie » na « SO.MA.PED » ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka androany 21 May 2020 teto amin’ny efitrano fivoriana Ambohidahy.

Boky izay natao indrindra hampitoviana ireo rafitr’asa mikasika fandraisana an-tanana sy ny fitsaboana eny anivon’ireo ivotoerana mitsabo zaza vao teraka. Hanatsaràna ihany koa ny fomba fiasa ary hampihenàna ny taha-pahafatesan’izy ireo.

Marihina moa fa angady nànanàna sy vy nahitàna ny fanotàna izao boky izao ny « Principauté de Monaco » izay isaorana manokana etoana.

Ireo boky ireo dia ho zaraina manerana ny Tobimpahasalamana eto Madagasikara.