Ho fanamafisana sy fanafainganana ny fitiliana ny valan’aretina « Coronavirus », dia nanolotra ny fitaovam-pitiliana miisa 9250, ny « Système des Nations Unies à Madagascar », amin’ny alalan’ny OMS, PAM, PNUD ary UNICEF, ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Ankoatran’ireo fitaovam-pitiliana, dia nanolotra ihany koa EPI sy « désinfectants » ary fitaovan-tserasera izy ireo. Ny totalin’ireo fanomezana rehetra ireo dia mitentina 2 890 000 000 Ariary.

Ny hampitombo avo telo heny ny fahafahana mitily no tanjon’ izao fampitaovana izao, izay mifanaraka amin’ny fanamby napetraky ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka.

#AROVY NY TENANAO

#AROVY KOA NY HAFA