Ny sigara sy ny paraky dia anisan’ny mahatonga fahafatesana azo sorohana. Tsy ireo mpifoka ihany anefa no misedra izany fa indrindra koa ireo mievoka tsy nahy ny setro-tsigaran’ny hafa.

« Ny tanora no hoavin’ny firenena », mila arovana izy ireo.
Izany indrindra ny lohahevitry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena tsy ifohana sigara sy tsy ihinanana paraky izay ankalazaina isaky ny faha 31 May.

Araka ny valin’ny fanadihadiana nataon’ny « OMS » tamin’ny taona 2008, ny 19,83% ny zaza 13-15 taona no mifoka sigara. Noho ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana dia nidina 8.9% izany amin’izao taona 2020 izao. Anisan’ny paikady nentina tamin’izany ny fanentanana maro isan-karazany amin’ny alalan’ny afisy sy ny haino aman-jery, ny « avertissement sanitaire » hitantsika amin’ny fonon-tsigara ireny.

 

Nanatanteraka fanentanana ireo mpianatra hanala fanadinana BEPC eo anivon’ny CEG Antanimena, androany 29.05.2020 ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny « OFNALAT ». Tanjona amin’izany ny hampidinana amin’ny ampahatelony ny tahan’ny fahafatesana ateraky ny aretina tsy mifindra ary ny hanaovan’ny Fanjakana vaindohan-draharaha ny ady atao amin’ny fifohana sigara sy ny fihinanana paraky.

Manoloana izao zava-mitranga amin’ny firenena izao dia nizara arotava, savony, « gel desinféctant » ho an’ireo mpianatra hanala fanadinana ireo ihany koa ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka aminy.

« Arovy ny tanora manoloana ny tetikadin’ny indostria mpamokatra sigara, arovy izy ireo tsy hifoka sigara sy tsy hihinana paraky. »

#JMST_2020
#MSANP_OFNALAT_OMS