Ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia tanjon’ny Fanjakana Malagasy ny hisitrahan’ny tsirairay isam-batan’olona ireo fanampiana avy aminy. Tsinjovina manokana amin’izany ireo olona izay tena sahirana. Hisorohana ireo fanararaotana sy fanodikondinana ireo fanampiana ho an’ny vahoaka dia nisy ny lamina vaovao noraisin’ny Fitondram-panjakana Malagasy.

Mandray anjara mavitrika amin’ny fametrahana izany lamina vaovao izany ny avy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay miandraikitra ny Boriboritany fahatelo.

Io maraina io dia nisy ny fidinan’ andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka teny amin’ny Fokotany Avaradoha, nandrindra ireo fandaminana vaovao izay noraisina. Nanotrona azy teny an-toerana moa ny Solombavambahoaka Aniah izay voafidy rahateo tao amin’ny Boriboritany fahatelo.

Tokantrano miisa 12177 no hanaovana fanadihadiana ao anatin’ny 03 andro ary mpanao fanadihadiana miisa 57 avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka miampy mpanentana ara-pahasalamana 57 isa no hisahana izany.

Malagasy mifanohana, mandresy ny « coronavirus ».

Fanadihadiana : SCM/MSANP