Notsenain’Andriamatoa Ministrin’ny Fahasalamambahoaka androany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny andiany faharoa amin’ireo concentrateurs d’oxygène miisa 1095, tohin’ireo efa tonga tamin’ny 09 Aogositra 2020 lasa teo.

 

Misitraka izao fampitaovana izao avokoa ireo hopitaly lehibe rehetra manerana ny Nosy izay mandray ireo mararin’ny Covid-19. Teo ampandraisana izany dia nanamafy Andriamatoa Ministra fa ny tanjona voalohany ampiasaina ireo fitaovana ireo dia ny hanafoanana tanteraka ny isan’ireo aina hafoy amin’ny valanaretina « Coronavirus », noho ny tsy fahampian’ny fitaovampitsaboana, araky ny efa nambaran’ny Filohampirenena.