Mizotra mankany amin’ny fanatsarana ny fitantanana ny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Tanjona ny hamerina indray ny fitokisan’ny vahoaka amin’ny Ministera araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitra, nandritra ny « visio-conférence » izay nanomezany toromarika ireo Tale-paritry ny fahasalamana (DRSP), ireo Tale mitantana Hôpitaly (CHU, CHRR, CHRD…), ireo Tomponandraikitra ara-pahasalamana eny anivon’ny Distrika manerana an’i Madagasikara, androany maraina.

Nasongadiny manokana ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona (Humanisation des soins) eny anivon’ireo Toeram-pitsaboana rehetra eto amintsika. Manomboka eny amin’ny Toeram-pitsaboana fototra izany (CSB) ka hatreny amin’ny Toeram-pitsaboana lehibe (Hôpitaly)

Notsindriny mafy ihany koa ny ady amin’ny kolikoly, izay mampitaraina vahoaka maro. Hentitra izy raha nanambara fa hisy ny fanaraha-maso akaiky ary tsy hisy ny famindram-po (Zéro tolérance) ho an’ireo izay tratra manao izany. Hisy ny fidinana ifotony tsy ampoizina ataon’ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny ho fampiharana izany. Nohamafisin’ Andriamatoa Minisitra fa tsy ny toetra maha-olona ihany no handrefesana ny fahombiazan’ny mpitantana fa eo koa ny lafiny fitantanana, handraisana fepetra avy hatrany izay manao goragora manimba endrika ny fitantanan-draharaham-panjakana.

Ankoatr’izay dia noresahana nandritra izao fihaonana ampitan-davitra izao ihany koa ny fanatsàrana ny fiarahamiasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka, ny ady amin’ny Covid-19, izay mbola mitohy ary nisaorany antsika rehetra tamin’ny fandraisana andraikitra sy ny fanarahana ny fepetra noraisin’ny Fanjakana handresena ny valanaretina.

Sary sy Fanadihadiana : SCM/MSANP