Ao anatin’ny fitantana tsara rindra dia miezaka hatrany ny eto anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fikojakojana ireo fitaovana rehetra eo ampelatanany.

Ao anatin’izany ireo fiara ampiasaina ho amin’ny fanatanterahana ny asa, toy ny eo anivon’ny « Direction Régionale de la Santé Publique » Amoron’i Mania izay nanatanteraka izany fikojakona ny fiara izany ny 17 Septambra 2020.

Marihina fa anisan’ireo faritra misitraka ny projet « FAFY » ny DRSP Amoron’i Mania ka mandritra ny fotoana izay hisian’io tetik’asa io dia misy ny teti-bola natokana ho fikarakarana ireo fiara, rehefa mahavita 5.000Km.

Sary : DRSP Amoron’i Mania