Ankoatra ny asa amandraharaha mikasika ny fitsaboana dia misy ihany koa ny fidinana ifotony ataon’ireo mpiasan’ny fahasalamana eny amin’ny kaominina Ambanivotra, mandritra izany fotoana izany no anatanterahan’izy ireo ny fitsaboana manantona ny tsirairay, anisan’ny paik’ady iray afahana manantona ny vahoaka sy manara maso ny fahasalaman’izy ireo itony atao hoe « strategie avancée » itony.

Fa ankoatra ny fidinana ifotony manantona ny vahoaka dia tsy adino ihany koa ny manome azy ireo toeram-pitsaboana madio sy mafinaritra, ezaka iray hanaingona ny tobim-pahasalamana ny fambolena voninkazo sy zava-maniry eny amin’izy irey.Ao anatin’izany indrindra dia namboly « Palmier » , ny teo anivon’ny CSB Fiadanana,SDSP Fandriana,DRSP Amoron’i Mania, androany 17 Septambra 2020.