Ao anatin’ireo vina 05 hitondrana ny Ministeran’ny Fahasalamana ny fampitaovana ireo toeram-pitsaboana manerana ny Nosy.
Ankoatr’izay dia mizotra any amin’ny fametrahana ny « Couverture Sanitaire Universelle » ihany koa ny Ministera.
Zava-dehibe amin’ireo dingana roa ireo ny fanana mpiaramiombonantoka manao tantsoroka amin’ny fanamafisana ny rafim-pahasalamana « système de santé » eto Madagasikara.
Anisan’ny mpiaramiombonantoka mavitrika sy manohana hatrany ny Ministeran’ny Fahasalamana ny STAR sy ny « Fondation Coca-cola » satria araka ny fifanarahana natao ny volana mey lasa teo dia natolotra androany tamin’ny fomba ofisialy ireo fitaovam-pitsaboana mitentina 300.000 $, izay hikarakarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza.
Hisitraka ireo fitaovana ireo ny CHU ao Toliary,ny CHRR ao Maintirano, ary ny CHRD Ikalamavony, hitombo araka izany ny fahafahan’ireo Hopitaly ireo manome tolotra mifanaraka amin’ny fikarakarana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza, ka hahafahana mampidina ny tahan’ny fahafatesana eo amin’ny reny sy ny zaza na ny antsoina hoe « taux de mortalité néo-natale »
Nanome toky ny talen’ny kabinetran’ny Ministera, Prof RAZAFIMAHANDRY Jean Claude,raha nandray tamin’ny fomba ofisialy ireto fitaovana ireto, nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra, fa ho ampiasaina amin’ny tokony ho izy sy amin’ny ara-drariny ireto fitaovana ireto.
Marihina moa fa ny STAR no mandray an-tanana manontolo ny fitanterana sy fanaterana ireo fitaovana rehetra ireo.
Sary sy Fanadihadiana : SCM/MSANP Ao anatin