« Tsy eto Antananarivo ny biraoko » hoy Andriamatoa Minisitra « fa any atsimo, any izao ny ady ».

Mitohy ary mizotra tsara ireo asa tanterahin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manoloana ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo any atsimo.

Ny Alarobia 14 Oktobra 2020 dia tao amin’ny Commune EBELO sy IFOTAKA no nidina ifotony ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis sy ny Minisitry ny Rano sy ny Fidiovana, Ramatoa Voahary RAKOTOVELOMANANTSOA nijery ny vahaolana vonjy maika sy maharitra ho amin’ny tsifanjariantsakafo.

Nambaran’Andriamatoa Minisitra fa miasa amin’ny fandraisana an-tànana ny olona tratry ny tsifanjariantsakafo sy ny ady amin’ny aretina hafa toy ny tazomoka sy ny fivalanana, ny fanaovana vaksiny ary ny fandrindram-piterahana. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fanaovana « recensement » sy fikarakarana ny CRENIM ary ny fanampiana ny Dokotera sy « Paramédicaux » miisa 30 nalefa any amin’ireo distrika 05 : Amboasary, Ambovombe, Tsihombe ,Beloha, Ampanihy. Nisy koa ny fizarana sakafo sy vatsy ho an’ireo marefo tao Ebelo ao amin’ny fokontany Anaramalinika. Fianakaviana 300 no nisitraka izany.

Androany Alakamisy 15 Oktobra, misy ny fivoriana iarahana amin’ireo manam-pahefana ao Ambovombe Androy sy ny fijerena ny toerana hametrahana ny CRENIM.

Sary sy loharanom-baovao : DGMP/MSANP