Notanterahina nanomboka ny Alatsinainy faha-17 nôvambra 2020 teo ary haharitra roa (02) herinandro ny fandidiàna maimaimpoana ny aretina mamany lava izay atao ao amin’ny CHRR Bongolava.
Natao izao hetsika izao hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka sy ho fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona ary indrindra ny ady amin’ny kolikoly araka ny laharaham-pahamehan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny izay eo ambany fitantanan’ i Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis.
Sary sy Fampitam-baovao: DRSP Bongolava, DirCom/MSANP