Nambaran’ Andriamatoa Minisitra nandritra ny fihaonany tamin’ireo Chef CSB 25 ao amin’ny distrikan’ Atsimondrano, omaly, taorian’ny fitsidihana nataony tampoka tamin’ireo rafitra fanafarana, fitehirizana, fitsinjarana fanafody misy eto amin’ny firenena nanoloana ny fitarainana voarainy avy amin’ireo olona nanaraka fitsaboana teny amin’ny Tobimpahasalamana izay tantanan’ny fanjakana FA tsy maintsy atao peta-drindrina na afisy ireo fanafody maimaimpoana na vidiana amin’ny vidiny mirary amin’ny alalร n’ny FANOME (Fandraisana Anjara NO Mba Entiko) eny amin’ireo CSB rehetra manerana an’i Madagasikara.

Miroso hatrany amin’ny fampiharana ny mangarahara sy ny ady amin’ny kolikoly araka izany ny eto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ary manohy ny ezaka rehetra efa natomboka hahafahan’ny tsirairay isam-batan’olona misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy manaja ny maha-olona.

Izay nomen’ny Fanjakana maimaimpoana dia aoka hositrahan’ny vahoaka maimaimpona hoy hatrany Andriamatoa Minisitra nanamafy.

Fanamby lehibe ho an’ny Minisiteran’ny Fahasalamam- bahoaka ankehitriny ihany koa ny ahitana mandavantaona eny amin’ny Tobimpahasalamana manerana ny Nosy tantanan’ny fanjakana ireo fanafody tena ilain’ny vahoaka.

Ary tsara ny manamarika fa misy ampahany amin’ireo vola azo avy amin’ny FANOME no natokana hitsinjovana manokana ireo olona marefo ara-pivelomana izay tonga misitraka ny tolotra ara-pahasalamana eny anivon’ny Tobimpahasalamana miankina amin’ny Fanjakana.

#Velirano_fahadimy
#Fahasalamana_ho_an_ny_rehetra_tsy_anavahana_sokajin_taona

๐’๐š๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐š๐ง๐ ๐จ๐ฆ-๐›๐š๐จ๐ฏ๐š๐จ: ๐’๐‚๐Œ/๐ƒ๐ข๐ซ๐‚๐จ๐ฆ-๐Œ๐’๐€๐๐