Nahitร na fidinany ny tahan’ny fanaovam-baksiny mahazatra (15) ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona eto amintsika, araka ny valin’ny fanadihadiana ECV natao momba izany tamin’ity taona ity.

ยซ Raha 76% ny tahan’ny fahavitan’ny vaksiny miaro amin’ny aretina mpahazo ny ankizy, ny taona 2013, nahatratra 37,8% ny ankizy 12-23 volana no nahatontosa ny vaksiny amin’ny sehatra nasionaly ary ambony kokoa ny taha amin’ny tanร n-dehibe raha 34,5% eny ambanivohitraยป, hoy ny talen’ny fandaharanasa fanaovam-baksiny, eto anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Dr Rakotonavalona Rivomalala, omaly, teny Anosy.

90% ny tanjona napetraky ny drafitrasa maneran-tany ho an’ny vaksiny (GVap) amin’ny taha nasionaly ary 80% eny anivon’ny distrika. Mbola lavitra ny elanelana ary misongadina izany any amin’ny toerana saro-dร lana sy tsy mandry fahalemana. Any amin’ny faritra Melaky, 16,7% ny taha, 17,6% any sofia ary 18,2% ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, araka ny fanadihadiana ECV 2021 ihany.

Fitaovana miaro amin’ny aretina maro azo sorohina mpahazo ny ankizy anefa ny vaksiny. Rehefa midina ny tahan’ny fanaovam-baksiny, ahina hisy fisehoana valanaretina indray. Ohatra amin’izany ny aretina poliomelita izay efa nambara fa efa voasakana ny fivezivezeny teto Madagasikara, ny taona 2018.
Rehefa natao ny fakana rano maloto tamin’ny faritra telo (Ampanihy, Farafangana, Antananarivo Renivohitra, Taolagnaro.), voatily fa misy ยซ Souche poliovirus ยป indray mandehandeha ka ahiana hamindra amin’ny ankizy tsy vita vaksiny.

Izay no hanohizana hatrany ny fanaovam- baksiny miaro amin’ny aretina poliomelita, hatramin’izao, efa hanao ny andiany faharoa amin’ity taona ity ny Minisitera ny fiandohan’ny volana aogositra. Ankizy 3 tapitrisa mahery no nisitraka izany ary ambony ny tahan’ny fahavitana ny vaksiny ho an’ny ditrika 85 nanaovana ny asa.