Noho ny fanatanterahana ny vina sy paik’ady amin’ny fandrindram-piainam-pianakaviana eto Madagasikara izay isan’ireo Velirano faha-5 nataon’ny Filohampirenena Andry RAJOELINA dia voahosotra ho Tompondaka amin’izany aty amin’ny kaontinanta Afrikanina mampiasa ny fiteny frantsay ny Filoha Malagasy.
Natolotra ny Filohampirenena Andry RAJOELINA androany ny amboara amin’ ny maha-Tompondaka azy izay, nandritra ny fikaonan-doham-pirenena ametrahana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana, antoky ny fampandrosoana eto Madagasikara tetsy amin’ny Novotel Alarobia.
Veliranon’ny Filohampirenena faha-5 ny hanomezana fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona, ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana mendrika sy tsara kalitao ho an’ny vahoaka Malagasy, ny fametrahana ny « Couverture Sanitaire Universelle » ary ny fandrindram-piainam-pianakaviana izay antoky ny fampandrosoana.
« Zava-dehibe tokoa ho an’ny fampandrosoam-pirenena ny fanatontosana ity fikaonan-doham-pirenena ho fametrahana ny paik’ady ho fandrindram-pianakaviana eto Madagasikara ity satria ho herim-po very maina ireo ezaka ataontsika amin’ny fampandrosoana raha tsy mifandrindra amin’izany ny taham-piterahana eto amintsika », hoy ny Filohampirenena Andry RAJOELINA nandritra ny fanokafana ity fikaonan-doha ity.
Nandritra ity fikaonan-doha ity ihany koa no nanaovana sonia ny tanjon’i Madagasikara hanatratra ny 60% amin’ny fampiasana ny fandrindram-piainam-pianakaviana amin’ny taona 2030. Fanamby nataon’ny Filohampirenena sy ny Minisiteran’ny Fahasalamana miaraka io fahatratrarana ny tanjona amin’ny taona 2030 io.
SCM/DirCom-MSANP