Laharam-pahamehan’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hatrany ny fanatanterahana ny velirano fahadimy ยซย fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taonaย ยป.
Nanantitrantitra ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo fa mitohy hatrany ny ady amin’ny Covid-19, ary nahatsikaritra izy fa betsaka ny olona no tsy manaja intsony ny fepetra ara- pahasalamana, ka noho izany indrindra no nitondrany indray ny fanentanana ho an’ny tsirairay.
Ho fanohizana ny tanjona sy ny tetikasa handresena ny kere any atsimo dia nidina ifotony ny Minisitra nanotrona ny Filoham-pirenena mivady tany amin’ny Faritra Androy sy ny Faritra Anosy.
Notokanana nandritra izany ny ivon-toerana sakaizan’ny vakisiny, tao amin’ny CHRR Philibert Tsiranana, Tolagnaro izay notarihin-dRamatoa Vadin’ny Filoham-pirenena.
Teo ihany koa ny hetsika ยซย Caravane Avotseย ยป izay nanolorana fitsaboana maimaimpoana sy tsara kalitao ho an’ireo vahoaka maro tonga nisitraka izany sy ny fanarahamaso ny fandrosoan’ny asa fananganana ny CRNM Ambovombe.
Anisan’ny vaovao lehibe nisongadina nandritra iny herinandro lasa iny ihany koa ny fikaonandoham-pirenena mikasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana izay nahazoan’ny Filoham-pirenena ny amboara ยซย Champion de la planification familialeย ยป aty amin’ny tany Afrikana miteny frantsay.
Nisy ihany koa ny fampitaovana ny ย ยป Service ophtalmologie pรฉdiatriqueย ยป ao amin’ny CHUJRA Ampefiloha.
Eo amin’ny lafiny fanatanjahantena dia nandrombaka medaly volamena 09 sy medaly volafotsy 1 ny ยซย CLUB 3FB Savate boxe franรงaiseย ยป, tamin’ny ยซย Tournoi INTER- REGIONAL FANAMBYย ยป izay notanterahana omaly alahady.
Notoloran’ny Fitondram- panjakana mari- boninahitra ยซย GRAND OFFICIER de l’Ordre Nationalย ยป i Maรฎtre Joseph noho ny zava- bitany teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena, izy rahateo izay efa sady ยซย Entraรฎneur Nationalย ยป sy ยซย Juge Arbitre Internationalย ยป ihany koa.
Vaovao avy any amin’ny faritra, mitohy hatrany ny ady amin’ny tazomoka amin’ny alalan’ny famendrahana fanafody mamono moka isan- tokatrano. DRSP Alaotra Mangoro, tontosa soa amantsara ny fifamindram- pitantanana teo amin’ny talem- paritry ny fahasalamam-bahoaka vaovao sy teo aloha.
Nandritra ny Fananganan-tsaina androany no nanoloran’ Andriamatoa Minisitra tamin’ny fomba รดfisialy, ny Tale vaovaon’ny Fitaleavana misahana ny Serasera, Ramatoa RAMAHATRA Sahondra Hanitriniaina.
๐Ÿ“ธ: SCM/DirCom-MSANP