๐ˆ๐ฏ๐š๐ง๐๐ซ๐ฒ, ๐ŸŽ๐Ÿ– ๐จ๐ค๐ญ๐จ๐›๐ซ๐š ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ –
Tontosa io maraina io teny aminโ€™ny Masoivohonโ€™i Japana eny Ivandry ny fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa mikasika ny Tetikasa fanitarana ny Sampandraharaha mandray an-tanana ny fahasalamanโ€™ny reny sy ny zaza ao aminโ€™ny CHU Place Kabary Antsiranana.
โœ…Mahatratra 77 283 Euros na Ar 334 000 000 ny sandanโ€™izao asa fanitarana izao, izay ahafahana mampitombo ny toerana handraisana an-tanana ny fahasalamanโ€™ireo reny sy zaza tonga manatona ny hรดpitaly. Ahafahana manatsara ihany koa ny toerana handraisana ireo vehivavy bevohoka tonga hiteraka.
โœ…Tonga nanome voninahitra izao fifanaovan-tsonia izao andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo. Mitohy hatrany araka izany ny ezaka ataonโ€™ny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโ€™ny fanatanterahana ny velirano fahadimy. ยซ Fahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป no tarigetra ary asa avy hatrany no tanterahina fa tsy kabary.
๐Ÿ‘Isaorana ny Governemanta Japoney izay isanโ€™ireo Mpiaramiombonantoka akaiky aminโ€™ny Fanjakana Malagasy aminโ€™ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP