๐Ÿฅ118 taona niasana ho an’ny fahasalamam-bahoaka ny CHU Analankininina Toamasina.
โœ… Raha tsiahivina dia ny taona 1903 tokoa no taona niforonany. ยซย Hopital militaireย ยป no niatombohany ary efa imbetsaka no niova anarana ity farany nandritra izay fotoana nisiany izay. Anisanโ€™ny anarana efa niantsoana azy ihany koa ny hoe : ยซ Hopital Principal de Toamasina ยป.
โœ… Nanomboka ny taona 2012 no nisalorany ny fiantsoana ย ยป Centre Hospitalier Universitaire Analankininina Toamasinaย ยป, fantatry ny maro an’isa amin’ny hoe ย ยป Hopitaly Be Analankinininaย ยป.
โœ… 30 ny isan’ireo sampandraharaha hita ao amin’ny CHU Analankininina Toamasina, tafiditra anatin’izany ireo ยซย services techniquesย ยป sy ยซย services administratifsย ยป, sombitsombiny amin’izany ireto manaraka ireto, izay ahitany ny ยซ Service Pneumologie, Psychiatrie, Mรฉdecine interne, Oncologie, Pรฉdiatrie, Maternitรฉ et nรฉonatalogie, Accueil-Triage-Urgences (A.T.U), Chirurgie, Bloc opรฉratoire, ORL, Ophtalmologie, Stomatologie, Nรฉphrologie (Dialyse), Centre Rรฉgional de Transfusion sanguine, Pharmacie ยป.
โœ… Ahitร na ยซย Centre Vonjyย ยป ihany koa ao amin’ ny CHU Analankininina izay mandray an-tanana ireo ankizy lahy na vavy izay niharan’ny herisetra ara-nofo.
โœ… Anisan’ ireo Toeram-pitsaboana nandray an-tanana ireo mararin’ny covid-19 ihany koa ny CHU Analankininina. Araka ny lamina napetraka dia ireo tranga nisy fahasarotana na ireo marary naneho fahasemporana ka nilร na fampiasana ยซย oxygรจneย ยป no noraisina an-tanana tao an-toerana.
โœ… Manana ny tantarany manokana ny CHU Analankininina, antony iray izay tena mampalaza azy any amin’ny Faritra Atsinanana, ho fanampin’ireo tolotra fahasalamana maro omen’izy ireo. Fa isan’ny tena mampiavaka azy ny fananana sampan-draharaha misahana manokana ny fandraisana ireo vehivavy manana aretina mamany lava. Ao ihany koa ny ยซย service de rรฉรฉducationย ยป izay mampihatra fomba fanao vaovao amin’ireo zazakely izay manana ยซย pied botย ยป, dia ny ยซย mรฉthode Ponsetiย ยป izany.
โœ… Mampihatra ny ยซย recyclage des dรฉchetsย ยป ihany koa ny Hopitaly ho fiarovana ny tontolo iainana.
โœ… Maro ireo hetsika ara-pahasalamana izay karakarain’izy ireo any amin’ny Faritra Atsinanana hiaraha-misalahy amin’ireo Mpiara-miombon’antoka maro toy ny ยซย Opรฉration smileย ยป: izay ahitร na ny ยซย chirurgie rรฉparatriceย ยป, ny ยซย opรฉration cataracteย ยป, ny fanamboarana sofina, ary izany rehetra izany dia azon’ny Mponina eny an-toerana sitrahana maimaimpoana avokoa.
โœ…๐Ÿ‘Vina izay hifotoran’ny ยซย Hopitaly Be Analankinininaย ยป ankehitriny ny fanatsarana hatrany ny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka ho fanatanterahana ny velirano fahadimy. Tafiditra aminโ€™izany ny fampiharana ny ยซย humanisation des soinsย ยป araka ny toromarika avy aty amin’ny Ministera foibe.
Pejy facebook ofisialy CHU Analankininina Toamasina: https://www.facebook.com/HOPITALYBE/
SCM/DIRCOM-MSANP