๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐˜†, ๐Ÿญ๐Ÿฑ ๐—ผ๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ ๐—œ
Mitohy ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fahasalamana sy ireo Mpiaramiombonantoka aminy mikasika ny fampitaovana ireo Tobimpahasalamana miankina amin’ny Fanjakana manerana ny Nosy ho fanamafisana ny rafi-pahasalamana sy iadiana amin’ny valanaretina, anisan’ izany ny covid-19.
โœ…Taorian’ny CHRR ANTSOHIHY sy ny CHRR MAEVATANANA dia nahazo ยซย GeneXpert 08 Modulesย ยป vaovao sy ireo ยซย rรฉactifsย ยป miaraka aminy ny CHRD MORAMANGA, ny CHRR ANTSIRABE, ny CHRR AMORON’ I MANIA ary ny CHRR AMBOVOMBE ANDROY. Famatsiambola avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena.
โœ…Ankoatra ny fitiliana ny covid-19 dia maro ireo aretina hafa azo tiliana amin’ny alalan’ny GeneXpert. Tombony lehibe ho an’ ny mponina any amin’ny faritra misy ireo Tobimpahasalamana ireo araka izany ny fahazoana izao fitaovam-pitiliana vaovao izao satria tsy voatery handeha lavitra intsony izy ireo vao hisitraka izany.
SCM/DIRCOM-MSANP