๐—”๐—บ๐—ฏ๐—ผ๐—ต๐—ถ๐—ฑ๐—ฎ๐—ต๐˜†, ๐Ÿฎ๐Ÿต ๐—ผ๐—ธ๐˜๐—ผ๐—ฏ๐—ฟ๐—ฎ ๐Ÿฎ๐Ÿฌ๐Ÿฎ๐Ÿญ I
Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ ny Ministeran’ ny Fahasalamana sy ireo mpiara-miombonantonka aminy, ho fanatsarana ny rafi-pahasalamana eto Madagasikara sy hanatrarana ny tanjon’ny Fitondram-panjakana ankehitriny : ยซ Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona ยป.
โœ…Na dia hita aza fa miroso mankany aminโ€™ny fahombiazana ny fifehezana ny valanaretina covid-19 ankehitriny, dia tohizana hatrany ny fisorohana mba hialana aminโ€™ny mety ho firongatry ny valanaretina indray.
โœ…Mifandraika indrindra amin’izany, dia nisy ny fampitaovana mitentina 65 000โ‚ฌ ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka avy amin’ny ONG Doctors For Madagascar, ka isanโ€™izany ny ยซ concentrateurs d’oxygรจne ยป, ยซ respirateurs ยป, sy fitaovana fiarovana ara-pahasalamana hampiasainโ€™ny mpiasanโ€™ny fahasalamana eny ifotony. Ny GIZ sy ny OMS kosa dia nanolotra fitaovana fiarovana toy ny arovava-orona miisa 924 000.
โœ…Ireo hopitaly lehibe manerana ny Nosy no hisitraka izao fampitaovana izao, ka isanโ€™izany ny CHU sivy eto Antananarivo sy any aminโ€™ny faritra : HJRA Sampana Vonjy Aina ; HJRB ; Andohatapenaka ; Anosiala ; Mahavoky Atsimo Mahajanga ; Place Kabary Antsiranana ; Tanambao Toliara ; Analakininina Toamasina ; Andrainjato Fianarantsoa. Tafiditra anatinโ€™ny hisitraka ireto fitaovana ireto koa ny CHRR miisa 10 : Antsirabe ; Ambovombe ; Sambava ; Antsohihy ; Maevatanana ; Itasy ; Bongolava ; Ambositra ; Ihosy ary Manakara.
SCM/DIRCOM-MSANP