Handray hetsika lehibe handraisana an-tanana maimaimpoana ireo olona mila fandidiana ny CHRD II Moramanga, manomboka ny 06 ka hatraminโ€™ny 12 novambra 2021. Hetsika vokatry ny fiaraha-misalahy eo aminโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka sy ny ROTARY, tohananโ€™ireo mpiara-miombonantoka samihafa, ary mirona aminโ€™ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ho anโ€™ireo manana olana toy ny sima, sima anatiny, ยซ hernie ยป, ยซ lipรดme ยป, olatra ary olatra may. Misy araka izany ny fisoratana anarana eny aminโ€™ny tobim-pahasalamana akaiky ireo izay te-hisitraka izany tolotra maimaimpoana izany.
Nampahafantarina ampahibemaso androany ny fisianโ€™ity hetsika ity izay teo ambany fitarihan’ ny Tale Jeneralin’ ny Tolotra ara-pahasalamana, Dr Rado RAZAFIMAHATRATRA, izay nitondra ny teny fisaorana ho anโ€™ireo mpiara-miombonantoka aminโ€™izao hetsika izao izay mifanaraka rahateo aminโ€™ny Velirano faha-5 napetraky ny Filohanโ€™ny Repoblika, dia ny ยซ Fahasalamana ho anโ€™ny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona ยป.
SCM/DIRCOM/MSANP