๐—”๐——๐—ฌ ๐—”๐— ๐—œ๐—กโ€™๐—ก๐—ฌ ๐—–๐—ข๐—ฉ๐—œ๐——-๐Ÿญ๐Ÿต : ๐——๐—œ๐—ฆ๐—ง๐—ฅ๐—œ๐—ž๐—”๐—กโ€™๐—œ ๐—ฆ๐—”๐—œ๐—ก๐—ง๐—˜ ๐— ๐—”๐—ฅ๐—œ๐—˜

 

Nidina ifotony nijery ny fanamafisana ny fanarahamaso ara-pahasalamana eny anivonโ€™ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo ao aminโ€™ny Disitrikanโ€™i Sainte Marie, Faritra Analanjirofo ny delegasiona avy eto anivonโ€™ny Ministeran โ€˜ny Fahasalamam-bahoaka izay tarihanโ€™ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY ary notroninโ€™ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny ao aminโ€™ny Faritra Analanjirofo, izay nahitana ny Solombavambahoakanโ€™i Madagasikara voafidy tao aminโ€™ny Distrikanโ€™i Sainte Marie, Andriamatoa Prรฉfet, ny Benโ€™ny tanananโ€™ny Kaomina Ambonivohitra Sainte Marie ary ireo Mpiara-miombonโ€™antoka avy aminโ€™ny OMS Madagascar. Tanjona ny iarovana ny vahoaka manoloana izao valanaretina izao. Ny distrikanโ€™i Sainte Marie izay isanโ€™ireo distrika ifaneraseranโ€™ireo Mpizahan-tany avy eto an-toerana na avy any ivelany.

 

Nandritra izao diany izao ihany koa dia nisy ny fivoriana arahina asa izay niarahany taminโ€™ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny ireo nijerena manokana ny mikasika ny tolotra fahasalamana ho anโ€™ny daholobe izay teboka fahatelo ao anatinโ€™ny Velirano fahadiminโ€™ny Filohanโ€™ny Repoblika Andry RAJOELINA. Ny distrikanโ€™i Sainte Marie izay isanโ€™ireo voafidy hanatanterahana izany.

 

Raha tsiahivina dia nanomboka ny taona 2015 ny Governemanta Malagasy no efa nirotsaka an-tsehatra taminโ€™ny fanatontosana ny Paikโ€™ady Nasionaly mikasika ny tolotra fahasalamana ho anโ€™ny daholobe. Ny tanjona dia ny hanamaivanana ny fahasahirana ara-bola ateraky ny tsy fahasalamana ary tsy ho sakana aminโ€™ny fisitrahana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ny mety fahasahiranana ateraky ny tsy fahasalamana tampoka, aminโ€™ny alalanโ€™ny fanaovana latsakโ€™emboka mirary ary takatry ny rehetra.

Fahasalamana ho anโ€™ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona.

 

Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka

Cellule d’Appui ร  la mise en oeuvre de la Couverture Santรฉ Universelle

OMS Madagascar

 

SCM/DIRCOM-MSANP