Ny Fitondram-panjakana dia eo anilan’ny vahoaka mandrakariva ary vao mainka namafisina izany manoloana ny voina nahazo ny mpiray tanindrazana noho ny fiakaran’ny rano nandritra sy taorian’ny ora-mikija teto an-drenivohitra.

Mitsinjo manokana ny fahasalaman’ireo tra-boina eny amin’ny toerana fandraisana azy ireny ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ka ankoatra ny efa nametrahana avy hatrany, toeram-pitsaboana isaka ny toby fandraisana tra-boina hatry ny omaly, dia nametrahana « Clinique mobile » ihany koa, ny tetsy amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano. Manao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra amin’izao ezaka izao ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny DASP, ary mifanome tanana sy miara-miasa amin’ny mpiantsehatry ny fahasalamana ihany koa ny Association FITIA.

Ahitana dokotera sy mpiasan’ny fahasalamana ary fanafody sy fitaovana samihafa, entina mandray an-tanana ireo tra-boina tojo tsy fahasalamana, ity « Clinique mobile » ity ary maimaimpoana avokoa ny tolotra rehetra sitrahina ao.

Tra-boina marobe no efa nisitraka sahady ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana ireo, manoloana ny aretina samihafa mateti-pitranga rehefa tojo voina tahaka izao, indrindra eo amin’ny ankizy sy ny zokiolona ary ny vehivavy.

Mankahery hatrany ireo mpiray tanindrazana tra-boina, ary ny irariana dia ny mba hahatomombana mandrakariva ny fahasalaman’izy ireo.
#Fahasalamana_ho_an_ny_daholobe_tsy_ankanavaka
#Fitiavana_ireo_mpiara_belona