Manoloana ny voina nitranga teto aminโ€™ny faritra Analamanga, noho ny fiakaranโ€™ny rano vokatry ny rotsakorana, dia tsy mitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana aminโ€™ny alalanโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka fa nametraka ireo mpitsabo na mpizaha fahasalamana maimaimpoana isaky ny toby fandraisana tra-boina.

Vaindohan-draharaha ihany koa anefa ny misoroka sy manentana mba tsy hiparitahanโ€™ny tsimokaretina Covid-19 eny aminโ€™ireny toerana ireny. Noho izany dia tonga nizara arovava orona ho anโ€™ireo vahoaka isaky ny toby fandraisana tra-boina ny tomponandraikitra eo anivonโ€™ny Ministeranโ€™ny Fahasalamam-bahoaka ka tetsy aminโ€™ny Kianja Mitafo Mahamasina sy teny aminโ€™ny Complexe Ampefiloha no nanombohana izany androany.

Efa mivonona ihany koa aminโ€™ny fepetra fandraisana an-tanana sy ny fanafody samihafa, anisanโ€™izany ny CVO+ raha sanatria ka ahitana tranga eny aminโ€™ireny toby ireny.

Manentana hatrany ny vahoaka hanaja ny fahadiovana sy ireo fepetra sakana rehetra ho fiarovana ny fihanahanโ€™ny valanaretina.

#aleo_misoroka_toy_izay_mitsabo
#fahasalamana_ho_an_ny_daholobe
#tsy_anavahana_sokajin_taona

SCM/DIRCOM-MSANP