๐Ÿ—“๏ธ Ivato, 29 Aprily 2022 – Anisan’ny vaindohan-draharahan’ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fampidinana ny taham-pahafatesan’ny Reny sy ny zaza.
Paik’ady iray enti-manatanteraka izany ny fanaovam-baksiny.
โœ… Tontosa androany maraina ny fametrahana ny vatofototra ny fananganana birao vaovao sy Toerana fitahirizana entana ho an’ny Fitaleavana misahana ny fanaovam-baksiny izay mitentina 3.000.000 dolara amerikana ary vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Alliance GAVI ary ny UNICEF.
โญ• Haharitra 1 taona latsaka eo ny faharetan’ny asa fananganana araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY ary inoana fa hitondra vokatra azo tsapain-tanana eo amin’ny lafiny fanaovam-baksiny eto amintsika ny fananganana foto-drafitr’asa vaovao manaraka ny fenitry ny fitahirizam-baksiny toy izao.
โœ… Salama ny Reny sy ny zaza vita VAKSINY
๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP