Ny Fitondram-panjakana malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia tsy mitsahatra manao ny ezaka rehetra mba hiadiana amin’ity valanaretina Covid-19 ity, sy hiarovana ny ain’ny vahoaka manoloana izany.

Ho fisorohana sy ho fiarovana, dia isan’ny paikady napetraka ny fampanajana sy fampiharana ireo fepetra sakana rehetra, toy ny fanaovana arovava orona, ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony na ny gel dΓ©sinfectant.

Eo koa ny fampiakarana ny hery fiarovana, ka iray fomba ahafahana manao izany ny fampiasana ny voka-pikarohana nataon’ny mpikaroka Malagasy ka nahitana ny CVO.

Fomba iray ahafahana manamafy ny hery fiarovana koa ny fanaovana vaksiny.

Noho izany, ankoatra ny fitsaboana ny marary, dia imasoan’ny fitondram-panjakana indrindra koa ny fisorohana, mba hiarovana ny ain’ny vahoaka tsy ankanavaka, araka ny Velirano fahadimy, dia ny Β« Fahasalamana ho an’ny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona Β».

Misy hatrany anefa ny lamina apetraka manoloana ny fanatanterahana ireo paikady rehetra ampiharina, mba hahafahana manatratra ny tanjona napetraka. Voakasika manokana amin’izany ny fisitrahana ny vaksiny.

Raha ho an’i Madagasikara dia misy karazany efatra ireo vaksiny izay afaka sitrahan’ny vahoaka ankalalahana, isan’izany ny vaksiny Β«Β π€π¬π­π«πšπ³πžπ§πžπœπšΒ Β» izay tonga voalohany ka hatao amin’ny fatra indroa miantoana izay mifanelanelana valo ka hatramin’ny roambinifolo herinandro. Ny karazam-baksiny faharoa afaka sitrahan’ny Malagasy ihany koa ny «  »𝐉a𝐧𝐬𝐬𝐞𝐧 » izay hatao amin’ny fatra tokana ihany. Ny Β«Β π’π’π§π¨π©π‘πšπ«π¦Β Β» no karazam-baksiny faha telo izay hatao amin’ny fatra roa ka mifanelanelana telo ka hatramin’ny efatra herinandro ary natokana ho an’ny olona 18 taona ka hatramin’ny 59 taona raha toa ka manomboka ho an’ny feno 18 taona no miakatra kosa ny an’ireo karazam-baksiny telo hafa. Ny vaksiny « 𝐏𝐟𝐒𝐳𝐞𝐫 » kosa no karazam-baksiny azontsika teto Madagasikara farany, izay hatao amin’ny fatra roa ary mifanelanelana telo ka hatramin’ny efatra herinandro.
Ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka dia manamafy hatrany fa mifameno ireo paikady rehetra noentin’ny fitondram-panjakana hiarovana ny vahoaka amin’izao valanaretina Covid-19 izao

Fanadihadiana: SCM/DIRCOM/MSANP niaraha tamin’ny Lehiben’ny Fitaleavana misahana ny Vaksiny eto Madagasikara, Dr RAKOTONAVALONA Rivomalala