Ny TAZOMOKA dia vosokajy ho anisan’ireo aretina mety hiteraka valan’aretina(Maladie à potentiel épidemiques).

Nandritra ity taona 2020, dia tsikaritra fa niakatra ny tahan’ireo olona voan’ity aretina ity.

Tsy nitazam-potsiny ny Fanjakana niaraka tamin’ireo mpiaramiombon’antoka fa nandray an-tanana maimaipoana ny fitsaboana ireo olona voan’io aretina io teny anivon’ireo Toeram-pitsaboana fototra sy ny Hopitay miankina amin’ny fanjakana.

Nisy ny fitiliana, fanomezana fanafody(ACT), ary ny fizarana lay misy ody moka maharitra(MID).Teo ihany koa ny famendrahana fanafody ny trano fonenana.

 

Ao anatin’ny fanohizana ireo ezaka efa vita dia hisy ny fampitomboana ny isan’ireo fitiliana ny olona ahafahana mitsabo azy ireo ara-potoana ary hisorohana ny fahafatesana.

Araho ary ny resadresaka nifanaovana tamin’i  Dr  Nambinisoa Mauricette ANDRIAMANANJARA, Mpandrindra Nasionaly ny Programan’asa miady amin’ny Tazomoka.

#Malagasy_tsy_ho_fatin_ny_tazomoka

#MSANP_PNLP

Sary sy Fanadihadiana : SCM/MSANP