π€πŠπŽπ’𝐍𝐘 𝐅𝐀𝐍𝐀𝐍𝐆𝐀𝐍𝐀𝐍-π“π’π€πˆππ€ π€ππƒπ‘πŽπ€ππ˜ πŸ‘πŸ πŒπ€π˜ 𝟐𝟎𝟐𝟏

Ny avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny mahaolona na « Direction des ressources humaines -DRH” no nisahana ny tatitry ny asa vita nandritry ny herinandro lasa sy ireo asa ho tanterahina mandritra ity herinandro vaovao ity.

Nanamarika iny herinandro lasa iny ny fisokafan’ny β€œPoste de transfusion sanguine” tany Manandriana. Nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikasika ireo tsara ho fantatra manodidina ny fandrindram-piterahana. Mitohy hatrany ny fanentanana sy ny ady atao amin’ny covid-19, isan’izany ny fanaovam-baksiny manerana ireo faritra 22.

Anisan’ireo vaovao hisongadina amin’ity herinandro ity ny famoahana ny β€œrΓ©sultat de recrutement par contractualisation” iarahana amin’ny UNFPA any amin’ny faritra Atsimo andrefana, Atsimo Atsinanana, Amoron’i Mania, Menabe, Vatovavy Fitovinany ary Androy.

Ankalazaina androany ny Andro iraisampirenena tsy ifohana sigara sy tsy ihinanana paraky. Ny teny filamatra hoentina amin’izany dia ny hoe « Manolo-tena hialaΒ Β» na β€œs’engager Γ  s’arrΓͺter” ary nisy ny lahateny nataon’ny Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis mikasika izany.

Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, Prof. RAKOTOMALALA Dave Patrick no nandray fitenenana taorian’ny tatitra androany. Nisy ny famitinana ireo fepetra mandritry ny 15 andro manaraka izay nambaran’ Adriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA omaly. Mitohy hatrany ny fanakatonana miandalana ireo CTC-19 sy ireo β€œHotΓͺl hopital” eto Analamanga ka ny CTC-19 Soamandrakizay sy ny CTC-19 Ankorondrano no nanohizana izany androany.

Sary sy fanadihadiana: SCM/DirCom-MSANP