π ππππππ πππππ ππ πππ π-ππππππππππππ: π πππππππππππ πππ ππππ’ππ πππππ ππππππ ππ ππ’ππ πππ ππππππ ππππππ πππ
Fandriana moderina sy mifanaraka aminβny tontolo ambanivohitra miisa 336,fitaovana sy kojakoja hoanβny fitsaboana toy ny Β« stΓ©thoscopes, kits chirurgicaux, balances pΓ¨se-personnes, kits dβaccouchements,β¦) no azonβireo CSB,CHRD ao anatinβny Ditrika 09 ao aminβny DRSP Atsimo Andrefana.
Natolotra taminβny fomba offisialy tao Toliara ny 18 Jona 2021.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao lanona izao, Ramatoa Talem-paritry ny Fahasalamana Atsimo andrefana, Dr Louisette Rasoanandrasana, izay naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ny fitondram-panjakana aminβny alalanβny Ministeranβny Fahasalamam-bahoaka, aminβny fanaovanβizy ireo ambonin-javatra ny fahasalamana izay isanβny antoka hoanβny fampandrosoana, ka mahatonga azy ireo manamafy ny fiaraha-miasa aminβireo mpiara miombonβantoka toy ny USAID ACCES.
Ny USAID ACCES dia manao tan-tsoroka aminβny Ministeranβny fahasalamana aminβny sehatra maro ary anisanβizany ny fahasalamanβny reny sy ny zaza,ka miezaka izy ireo manampy mba ahazahoanβizy ireo tolotra ara-pahasalamana sahaza sy mendrika.
Marihina fa misy kaontenera miisa 28 izay samy misy fitaovana sy kojakoja hoanβny fitsaboana toy izao nomena taty aminβny faritra Atsimo Andrefana taty, homena any aminβireo faritra 10 izay hiasanβny USAID ACCESS
Antenaina fa hisy fiantraikany tsara aminβny fitomboanβireo olona hanantona ny tobim-pahasalamana ny fahazahoana ireto fitaovana ireto.
Sary sy fanadihadiana: SCM/DIRCOM