Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato – Zoma 20 Aogositra 2021

Araka ny efa nambaran’ Andriamatoa Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA dia nigadona io maraina io teny amin’ny Seranam-piaramanidina Iraisam-pirenena Ivato, ny Zotram-piaramanidina nitondra ireo teratany Malagasy tavela tany ivelany ary nody namonjy an’i Madagasikara.

Nilamina ary hentitra tsara ny fanaraha-maso ny toe-pahasalaman’ ireo teo am-pahatongavana.

Tsara ny manamarika fa mialohan’ny niaingan’ireo mpandeha ireo tany amin’ny toerana nisy azy dia nandalo fitialiana « PCR » avokoa izy ireo ary ireo izay nanana valim-pitiliana miiba (PCR NEGATIF) ihany no afaka niondrana tamin’ny sidina.

Teo am-pahatongavana io maraina io dia naverina natao « PCR » avokoa izy ireo ary mihiboka mandritra ny 05 andro.

Aorian’ izay dia averina atao « PCR » indray izy ireo, ary raha miiba (Negatif) dia mivoaka mamonjy ny fianakaviana. Raha sanatriavina kosa ka miabo (Positif) dia manaraka fitsaboana avy hatrany ary raisin’ ny Fitondram-panjakana an-tanana araka ny nambaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo izay tonga teny an-toerana nanaramaso ny fandaminana mikasika ny fanarahamaso ny fahasalaman’ ireo teratany malagasy namonjy fodiana ireo.

Ministera maro no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny fampiharana izao fepetra ara-pahasalamana izao araka ny namabaran’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka hatrany.

Isika rehetra miara-mandresy ny covid-19
SCM/DirCom-MSANP