Velirano napetraky ny Fitondram-panjakana ankehitriny ny fanolorana fahasalamana ho an’ny daholobe ary tsy anavahana sokajin-taona. Olona amanaliny no tonga nisitraka ny tolotra fahasalamana maimaim-poana nandritra ny fandalovan’ny « caravane médicale » tany amin’ny Faritra Atsinanana, sy Alaotra-mangoro ny 06 ka hatramin’ny 11 septambra 2021 lasa teo.

Nisy ihany koa ny fandraisana ny vaksiny AstraZeneca andiany manaraka 42 240 fatra, ary mbola mitohy hatrany ny fanaovana vaksiny fanefitry ny Covid-19 any amin’ireo toerana natokana hanatanterahana izany manerana an’i Madagasikara. « Ekena fa somary milamindamina ny valanaretina Covid-19 ankehitriny fa saingy mila mitandrina hatrany isika » hoy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo nandritra ny lahateniny.  » Ny fahavitàna vaksiny dia tsy midika velively fa afaka ajanona ny fampiharana ireo fepetra sakana » hoy hatrany izy nanantintrantitra.

Ankoatr’izay, mitohy ny ady amin’ny aretina pesta sy ny tazomoka manerana ireo faritra maro eto amin’ny Nosy. Efa mipetraka ireo lamina entina hamehezana ireo trangan’ aretina pesta ary mitohy ny fizarana ny lay misy odimoka maharitra.

Nampahafantarina nandritra ny fananganan-tsaina androany ihany koa andriamatoa RAHARISON Tsihory Ravakiniaina izay voatendry ho DAAF eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra ny Filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 01 septambra 2021.

Eo amin’ny sehatry ny fanatanjahan-tena dia nitondra avo ny fanevan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny ekipan’ny 3FB taranja Atletisma izay nandrombaka medaly volamena 12, medaly volafotsy 6 ary medaly alimo 8 nandritra ny Fiadiana ny Tompondakan’ Analamanga, ny 13 sy 14 Aogositra 2021 sy medaly volamena 5, medaly volafotsy 7 ary medaly alimo 3 nandritra ny Fiadiana ny Tompondakan’i Madagasikara ny faha 3, 4 ary 5 septambra 2021 lasa teo izay samy notanterahana teny amin’ny Kianjan’ Alarobia avokoa.

Anisan’ireo atleta nisongadina nandritra izany Ramatoa RALISINIRINA Marthe izay nahazo medaly volamena roa sosona nandritra ireo fifaninanana ireo ary noarahabaina manokana nandritra ny fananganan-tsaina androany.

SCM/DirCom-MSANP