Aminโny maha ยซ Ministre Coach ยป azy dia nidina ifotony tany aminโny Faritra Itasy androany, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo nijery ny zava-misy teo anivonโny faritra araka ny toromarika avy aminโny Filohanโny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra ny Alakamisy 10 febroary 2022 lasa teo.
Notsidihany taminโizany ny Distrikanโ Arivonimamo, Miarinarivo ary Soavinandriana.
Nandritra izany dia nisy ny fihaonany taminโireo Manampahefana isan-tsokajiny tany an-toerana, nijery ireo fahasimbana nateraky ny andro ratsy sy ny rivo-doza Batsirai ary nandinika ireo paikady entina hanafainganana ny asa fanarenana. Ohatra aminโizany ny fahasimbana nahazo ny Lycรฉe Soavinandriana sy ny fahatotoranโireo tanimbary ao Arivonimamo sy Miarinarivo.
Nojerena ihany koa ny mikasika ny fampiroboroboana ny Fahasalamam-bahoaka ao aminโny Faritra Itasy, ny fangatahanโny mponina ny aminโny hananganana ยซ Bloc operatoire ยป ao Arivonimamo, ary ny toerana hananganana Hรดpitaly Manarapenitra ao Miarinarivo.
Nandritra izao fidinana ifotony izao dia nisy ny fihaonana taminโny mpiasanโny fahasalamana, nizarana ireo toromarika aminโny fandrindrana ny fandraisana an-tanana ireo marary, ny fanatsarana hatrany ny kalitaonโny Tolotra ara-pahasalamana ary ny fanohizana ireo ezaka rehetra efa natomboka aminโny fanatanterahana ny velirano fahadimy.
Fehiny, toy ireo faritra hafa nolalovanโny Rivodoza Batsirai dia isanโny nahitana fahasimbana ihany koa ny tao aminโny Faritra Itasy; nankahery ny rehetra Andriamatoa Minisitra ary nanentanana ny aminโny firaisankina sy ny fandraisana anjara mavitrika aminโny asa fanarenana.
ยซ Izay tsy mahay sobika mahay fatam-bary ยป araka ny soatoavina maha-Malagasy antsika ka alao hery ary Tompokolahy sy Tompokovavy.
Sary sy Fampitam-baovao: Attachรฉ de presse MSANP






