𝗖𝗛𝗥𝗗 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗡𝗝𝗔𝗥𝗬: 𝗠𝗜𝗧𝗢𝗛𝗬 𝗧𝗢𝗬 𝗡𝗬 𝗠𝗔𝗛𝗔𝗭𝗔𝗧𝗥𝗔 𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗗𝗥𝗔𝗜𝗦𝗔𝗡𝗔 𝗠𝗔𝗥𝗔𝗥𝗬
⭕ Anisan’ireo nahitana faharavana vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Batsirai sy Emnati ny Hopitalim-panjakana ao amin’ny Distrikan’i Mananjary na CHRD Mananjary.
⭕ Nikaro-bahaolana haingana ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nanoloana izany, ka dia nisy ny fananganana « Tente » lehibe anankiroa, handraisana ireo vehivavy mitondra vohoka tonga misafo (CPN) sy ireo vehivavy izay manao fandrindràna fiainam-pianakaviana (PF), izay fiaraha-miasa miaraka amin’ny Mpiara-miombon’antoka UNFPA Madagascar.
⭕ Efa am-perin’asa, manampy izany koa ny « Tente » lehibe iray hafa avy amin’ny Mpiara-miombon’antoka « Médecin Sans Frontière » izay natao handraisana marary.
⭕ Manomboka miverina toy ny mahazatra araka izany ireo tolotra ara-pahasalamana azon’ny vahoaka sitrahana eo anivon’ny Hopitaly, izay marihana fa maimaimpoana avokoa na ny fizaham-pahasalamana izany na ny fanafody.
#Fahasalamana_ho_an_ny_daholobe_tsy_anavahana_sokajin_taona.
@Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka
@UNFPA Madagascar
@Médecins Sans Frontières / MSF
Sary sy fampitam-baovao: DRSP VATOVAVY
