Harena tsy voatakalo vola ny fahasalamana. Nampiseho izany ireo mpitsabo mpiantsehatra ao amin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy ireo sampana tsy miankina ary fikambanana isan-karazany miahy ny fahasalamana, tamin’ny fizaham-pahasalamana sy fitiliana maimaimpoana mahakasika ny : diabeta, maso, tosidrà, fo, fitiliana VIH sida, torohevitra amin’ny tsy fanjarian-tsakafo ho an’ny zaza…


teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina niarahana tamin’ny FJKM.
Tontosa soamantsara androany faha 01 jiona 2019 ny tontolo andro ny hetsika lehibe. Niatomboka tamin’ny fotoam-pivavahana izany ary trano heva miisa 20 samy manana ny traikefany momba ny fahasalamana no nikarakara ireo tonga teny an-toerana.