Fankalazana ny Andro manerantany ho an’ny tontolo iainana « Fahalotoan’ny rivotra : loza ho an’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana, miady amin’izany aho », izany no lohahevitra nentina nankalazana ny Andro manerantany ho an’ny tontolo iainana. Nandray anjara mavitrika niara-nisalahy tamin’ny Ministeran’ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fiatrehana izao fotoan-dehibe notontosana androany 5 jona 2019 izao. Nanentana mikasika ny fihetsika mahomby mifandraika amin’ny rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana ny Sampandraharahan’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana eo anivon’ny Foibempitantanana ny Fampiroboroboana ny fahasalamana ho fisorohana ny aretina azo avy amin’ny fahalotoan’ny tontolo iainana. Ankoatra izay, nisy ny fanentanana momba ny fiovaovan’ny toetrandro. Tetsy ankilany kosa, nanao fitiliana maimaimpoana ny aretina mpahazo ny taovam-pisefoana ny « Société de Pneumologie de Madagascar » ho fitsinjovana ny vahoaka malagasy tsy ankanavaka. Tsiahivina moa fa nampiavaka ity androm-pankalazana ity ny fanokanana ora iray, nanomboka tamin’ny 9 ora ka hatramin’ny 10 ora maraina, tsy hampiasana fiara sy izay rehetra mandeha solika.