Fiadidiana ny Repoblika nanome rà maimaimpoana ireo mpiasa ao aminy Ny fitiavana tokoa no lehibe indrindra satria tsy nisalasala nanome rà an-tsitrapo ireo mpiasa eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika ho tombontsoa iombonana, fahasalamana ho an’ny manome azy ary aina ho an’ny mandray izany. Kitapon-drà miisa 54 moa no voaagona tamin’izany ary ankasitrahana ireto mpanasoa ny mpiray tanindrazana aminy ireto.

Ankoatra izay, fitiliana ny homamiadan’ny vozon’ny tranonjaza, ny VIH/SIDA sy ny tosi-drà ary ny diabeta, ireo no tolotra azon’izy ireo noraisina nandritra izao hetsika ara-pahasalamana lehibe notanterahana teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha androany 7 Jona 2019 izao. Noravahana fanentanana sy torohevitra ara-pahasalamana maro ihany koa ny fotoana ka mifandraika indrindra amin’izany ny fizarana vitamina A sy odikankana ho an’ireo rehetra nandray anjara.

Tesy ankilany, notolorana lay misy odimoka izay fampiasa isaky ny alina sy mandavan-taona natao indrindra hiarovana amin’ny tazomoka ireo mpanome rà teny an-toerana ireo. Ny Foibem-pitantanana ny raharaha sosialy sy politika eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika sy ny Foibe misahana ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana ao amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no niara-nisalahy nikarakara izao hetsika fiaraha-mientana ho an’ny fahasalamana izao.