Noho ny zava-bitany ho an’ny fahasalamam-bahoaka teto Madagasikara dia notoloran’ny Fanjakana malagasy tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, mari-pankasitrahana na « CERTIFICAT DE RECONNAISANCE » i Dr Mohammed Ali OUENZAR, Tale Nasionalin’ny ONG PIVOT teto Madagasikara izay voatendry hiasa any Mozambika.

Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Julio RAKOTONIRINA, izay notronin’ireo Tale isa-tsokajiny eto anivon’ny Ministera foibe no nanolotra izany androany tolakandro tato amin’ny efitrano fivoriana Ambohidahy. Ny ONG Pivot moa izay fantatsika rehetra fa mandray anjara mavitrika tokoa amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-pahasalamana eto Madagasikara.

L’Etat Malagasy par le biais du Ministère de la Santé Publique a reconnu la généreuse contribution du Dr Mohammed Ali OUENZAR, Directeur National de l’ONG Pivot dans le cadre de l’amélioration de la santé publique à Madagascar. Le certificat de reconnaissance lui a été remis ce jour dans les locaux du Département de la Santé par Prof Julio RAKOTONIRINA, Ministre de la Santé Publique. Arrivé au terme de sa mission dans notre pays, il portera ses compétences à Mozambique. Notons que l’ONG Pivot a toujours été un acteur engagé dans le renforcement du système de santé à Madagascar.