Ho fanatsarana ny serasera anatiny dia nisy ny fizarana fahalalana sy fanamafisana traikefa mikasika ny  » Correspondance Administrative » ho an’ ireo mpitantana (Tale, Lehiben’ny sampandraharaha…) isan-tsokajiny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly 13 Jona 2019 teny amin’ny INSPC Befelatanana.

Andriamatoa Simon RASOANAIVO, Mpampianatra avy eo anivon’ny INSPC no nitarika ny fanofanana. Fanamarihana: Ho antsika izay hifanerasera amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia inty ny adiresy mailaka ofisialy: communication.msanp@gmail.com