Ady amin’ny tsifanjariantsakafo any atsimo.

« Plumpy Nut » na sakafo voavoatra manokana miisa 5 000 baoritra avy amin’ny Ambasadin’i Japana sy ny UNICEF no natolotra tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, omaly 14 Jona 2019, teny amin’ny toera-pitahirizan’entan’ny UNICEF, Zone Galaxy Andraharo.

Ireo sakafo voavoatra manokana ireo izay ahafahana mandray an-tanana Zaza miisa 5.000 voan’ny tsifanjariantsakafo mahery vaika any amin’ny distrika miisa valo (08) any atsimon’ny Nosy, izay ahitana an’ Amboasary, Ambovombe, Ampanihy, Bekily, Beloha, Betioky, Taolagnaro ary Tsihombe.

Tobimpahasalamana izay ahitana « CRENAS » miisa 208 any amin’ireo distrika voalaza eo ambony ireo no hizarana ireo « Plumpy’ Nut » mandritra ity volana Jona ity.

Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, no nitarika ny delegasiona avy aty amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nandray tamin’ny fomba ofisialy ireo sakafo voavoatra manokana ireo.

Hita taratra amin’izao fa mafy orina tokoa ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana Malagasy sy ireo Mpiaramiombonantoka aminy.