Ho fanaraha-maso ny akora fanodina sy ny vokatra azo avy amin’ny sakafo izay amidy eny an-tsena, ho fisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo, dia nisy ny fivoriana izay niarahanan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny alalan’ny ACSQDA sy ny Ministeran’ny Indostria, ny varotra ary ny asa tanana, ny Sendikan’ny Indostria eto Madagasikara (S.I.M), ary ireo Mpandraharaha mpamokatra ny Zoma 14 Jona 2019 lasa teo teny amin’ny Foiben’ny S.I.M, Village des Jeux Ankorondrano. Nandritra izany no namelabelarana ny mahakasika ny ACSQDA sy andraikiny ary nampahafantarana ireo lalana mifehy ny fikirakirana sy fanodinana sakafo eto amintsika. Tsy adino ihany koa ny nanazava ireo dingana rehetra lalovana amin’ny famokarana sakafo sy ny fenitra takiana alohan’ny hamoahana azy ireny eny an-tsena. Nahaliana ny lohahevitra, nifandimbiasana ny fanontanina, tapaka ary taorian’ity fihaonana ity fa samy handray ny andraikitra tandrify azy avy ny tsirairay.

Ho hentitra ny Ministeran’ny Fahasalamana amin’ny fanaraha-maso ny kalitao, aleo misoroka toy izay mitsabo araka ny fitenenana mahazatra antsika. Ho avy izao ny Asaramanitra, manentana antsika rehetra, tsy ireo orinasa mpamokatra ihany fa isika any an-tokantrano, isika mpikarakara lanonana, isika mpivatotra hani-masaka (Gargotte) hitandro mandrakariva ny fahadiovan’ny tanantsika, ny fitaovana fikarakarana sakafo, ny fomba fitehirizana sy fikirakirana ireny vokatra toy ny « mayonnaise, fruits de mer… » ho fisorohana ny fanapoizinana ara-tsakafo sy hitsinjovana ny Fahasalamam-bahoaka. « Sakafo madio sy azo antoka, adidiko izaho sy ianao » izay tokoa no tanjona arak’io teny filamatra ny ACSQDA io.