Ny Alakamisy tolakandro teo no nanoloran’ny Klioban’ny 3FB RUGBY – Sokajy lehilahy an’ Andriamatoa Minisitra ny amboara azon’izy ireo tamin’ny « Match de Défi » izay nokarakarain’ny Fikambanana MIJOROA. Nandritra izany ihany koa no nanehoan’izy ireo ny hetahetany mahakasika ny fitantanana ny klioba sy ireo mpikambana mandrafitra azy.

Fihaonan’ny Raiamandreny sy zanaka moa izy ity ka tamin’izany indrindra no nitso-drano ary nanome vatsin-dalana ho azy telo (03) mirahavavy avy ao amin’ny 3FB RUGBY – Sokajy Vehivavy izay voaantso hanatevin-daharana ny Ekipam-pirenena Malagasy (Makis) hiatrika ny Fiadiana ny Tompondaka erantany any Japana, Andriamatoa Minisitra.

Nohamafisiny ihany koa ny Fisaorana sy fankasitrahana ny ezaka ataon’ny Klioba amin’ny fanandratana hatrany ny voninahitra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka eo amin’ny sehatra ny fanatanjahantena eto an-toerana sy iraisam-pirenena. Mirary soa ho azy telo mirahavavy isika ( Tantely, Vonjy, Sarindra), ho tsara mandroso, ho tsara miverina ary hitondra Fahombiazana ho an’ny tontolon’ny Rugby Malagasy sy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.