Araka ny filankevitry ny Minisitra ny Alarobia 12 Febroary 2020 lasa teo, dia voatendry ho Sekretera Jeneraly ny Ministeran’ny Fahasalambahoaka, ny Pr SOLOFOMALALA Gaëtan Duval. Tontosa androany 17 febroary 2020 teto Ambohidahy ny fifamindram-pahefana teo aminy sy ny Sekretera Jeneraly teo aloha Dr ANDRIANIRINARISON Jean Claude.
Tonga maro nanatrika izany ny fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka.

« Miasa haingana, miasa tsara, miasa amim-pahamarinana » hoy Andriamatoa Sekretera Jeneraly vaovao raha nanomboka ny fitenenana. Izany no atao hisorohana sy hifehezana ireo valanaretina, hanatsarana ny fitsaboana manerana an’i Madagasikara na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana. Notsindriny manokana ihany koa ny fanamafisana ny serasera sy ny fanatsarana ny tontolo iasàn’ny Mpiasan’ny Fahasalamana.

Misokatra mandrakariva ny varavarany ho amin’ny fifanakalozan- kevitra amin’izay hahasoa sy hahatsara ny Fahasalamam-bahoaka.

Misaotra ny Sekretera Jeneraly teo aloha nahavita ny adidiny nandritra ny herintaona latsaka efatra andro niasany teto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka. Mirary soa sy fahombiazana ho an’Andriamatoa Sekretera Jeneraly vaovao amin’ny adidy masina sy lehibe miandry azy.

©SCM/MSANP – Febroary 2020F