Lay misy odimoka maharitra iray tapitrisa avy amin’ny Fanjakana Amerikana hozaraina amin’ireo Distrika 12 ao anatin’ny Faritra 6 ahitana tazomoka betsaka indrindra eto Madagasikara.

Anisan’ny ezaka ataon’ny Ministeran’ny Fahasalamana ny ady atao amin’ny tazomoka, izay azo ambara fa aretina mitarika fahafatesana be indrindra eny amin’ny hopitaly. Noho izany, paikady entin’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka ny fampiasana Lay ,entina hiarovana amin’ny tazomoka. Ny tanjona dia ny hananan’ny olona roa Lay iray.
Androany13 febroary 2020 no nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fizarana Lay misy odimoka maharitra mitohy eo anivon’ny fiaraha-monina ho amin’ity taona 2020 teto amin’ny kaominina Mahavelo. Iray tapitrisa ny Lay misy odimoka maharitra hozaraina amin’ izany ary mponina mitontaly 4 145 758 no hisitraka izany.

Nandritra ny lanonana no nanamafisan’ny Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Profesora Ahmad Ahmad fa mila matory anaty lay daholo isika Malagasy ka ny fandriana hatorian’ny olona izay mbola tsy misy Lay, no hofenoina amin’ izao tetikasa atao izao.
Ity tetikasa ity dia iarahan’ny Ministeran’ny Fahasalam-bahoaka, ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena sy Fanofanana arak’Asa sy Teknika(MENETP) manatanteraka ary ny tetikasa Impact.

#Malagasy_tsy_ho_fatin_ny_Tazomoka
#MSANP_MENETP_IMPACT_PNLP

©SCM/MSANP – Febroary 2020