Natao teo amin’ny CHU-JRA ny marainan’ny Talata 25 febroary 2020 ny fanaovan-tsonia teo amin’ny CHU-JRA sy ny CHU Ibn Sina any Maroc, izay CHU ngeza indrindra any Maroc, momba ny plan d’action ho fanatanterahana ny « convention de jumelage » eo amin’ireo Hôpitaly roa ireo.

Io « jumelage » io dia natao indrindra mba hanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpitsabo, mpitsabo mpanampy ary mpandraharaha miasa eo anivon’ny CHU-HJRA.

« Plan d’action » mandritra ny iray taona no nosoniavina tao anatin’izany.

Amin’ity fanombohana ity, dia ny mikasika ny vonji-taitra sy ny fameloman’aina («Urgences et Réanimation), ny fitantananana (Management), ny fikirakirana ny fitaovana ampiasaina amin’ny fitsaboana (Biomédical), ary ny fiofanana momba ny fitiliana sy fizahana rehetra fanao amin’ny famindrana taova (transplantation) no hamafisina amin’ny mpitsabo sy mpitsaboo mpanampy Malagasy.

Amin’ny volana Mars izao no manomboka ny fanatantrahana izany plan d’action izany koa hisy solon-tenanianatra manokana momba ny vonji-taitra (Urgences) ho any Maroc.