Araka ny kabary nataon’Andriamatoa Filohan’ny Repoblika ny 22 Mars 2020, dia mihatra ireo fepetra manaraka ireto manomboka ny Alatsinainy 23 Martsa eto Antananarivo (Faritra Analamanga) sy Toamasina:
MIJANONA ANY AN-TRANONY AVOKOA NY OLONA REHETRA
1. mijanona avokoa ny fitateram-bahoaka na an-tanan-dehibe (taxi be)na ny taxi-brousse mampifandray ny faritra
2. Apetraka ny « barrieres sanitaires » ivelan’Antananarivo sy tanana lehibe manerana ny Nosy
3. Ireo mpivarotra PPN ihany no afaka misokatra: Supermarché, grossiste, tsenakely (epicerie), ary tsenam-pokotany (izay misokatra 6 am- 12pm). Olona iray ihany no afaka miantsena isan-tokantrano. Mila arindra amin;ny commune sy fokotany
4. Ny fivarotam-panafody, ny toeram-pivarotana solika, ary ny banky dia misokatra ihany koa
5. Tsy azo ivezivezena amin’ny alina manomboka ny 8 ora alina ka hatramin’ny 5 ora maraina.
6. Ireo sampan-draharaha mandray ny olona eny amin’ny biraom-panjakana rehetra dia mikatona avokoa ankoatra ny mpiasan’ny fahasalamana, ny fitsarana, ny filaminam-bahoaka, ny voirie, ny JIRAMA, ny mpikirakira ny fifan-draisandavitra (TV sy Radio).
7. Momba ny sehatra tsy miankina dia miankina amin’ny mpampiasa no mandray ny fanapahan-kevitra
Fanamarihana:
– Tandremo ny fanararaotana amin’ny vidin’entana
– Hapetraka ny tsena mora (mihatra avy hatrany eto Antananarivo)
– hisy ny fanaraha-maso, ary hisy ny sazy ho an’ny mpanararaotra.