Arotanana 2 000, Arotava 2 000, Aroloha 4 500, « blouses » 300, « lunette de protection médicale » 300 isa. Ireo no natolotry ny « Mercy Ships » tamin’ny alalan’ny UNFPA ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, androany 11 Mai 2020. Ireto fitaovana ireto moa dia hanamafisana ny fahaizamanao ary hiantoka ny zon’ny tsirairay hanana fahasalamana, ary ihany koa hanampiana amin’ny fisorohana ny valanaretina COVID-19.

Marihina moa fa ny Hopitaly Analakininina ao Toamasina no anisan’ny hisitraka ireto fitaovana ireto. Misy ihany koa ny homena ireo mpampivelona « sage-femme »  hahafahan’izy ireo miatrika tsy amin’ahiahy ny fitsaboana ireo mararin’ny CORONAVIRUS.