Tonga nijery sy nandray tamin’ny fomba ofisialy ireo fanomezana avy amin’ny fondation Jack Ma, teny Ivato Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Masoivoho Sinoa.

Fampitaovana ara-pahasalamana andiany fahatelo natolotrin’ny fondation Jack Ma ho an’i Madagasikara izao, izay ahitàna fitaovana fitiliana, arotava, akanjo fiarovana (EPI), respirateur, ary natokana ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay lohalaharana amin’ny ady amin’ny valanaretina « Coronavirus ».

Mankasitraka ny fondation Jack Ma, sy ny masoivoho Sinoa, amin’ny fiarahamiasa akaiky amin’ny fiatrehana izao ady lehibe izao.

#AROVY NY TENANAO
#AROVY KOA NY HAFA