Ao anatin’ny firahamiasan’ny firenena Malagasy sy ireo firenena vahiny dia nanolotra fanomezana hoan’ny Fanjakana Malagasy ny EMIRAT Arabes Unis, izay ahitana :

Blouse de protection individuelle 30.000

Gants 300.000 paires

Masque 50.000

Sur chaussures 32.000

Test de Diagnostic Rapide 25.000

Laharampahamehana amin’ny fanomezana ireto fitaovana fiarovana ireto ireo faritra tena ahitana ny valan’aretina.Tsy ho diso anjara anefa ireo faritra hafa ahafahana manatevina ny fiarovana sy hitsinjovana ny fandraisana an-tanana raha sanatria misy tranga.

Tonga nisolotena ny fanjakana Malagasy, nandray ireo fitaovana ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina IVATO ny sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Profesora RASOLOFOMALALA Gaëtan Duval.

Teo ampandraisana ireo fitaovana ireo dia naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ireo mpiasan’ny Fahasalamana izay manao ny ainy tsy ho zavatra na tamin’ny fiomana na amin’izao fiatrehana ity valan’aretina ity izao Andriamatoa Sekretera Jeneraly, ary mandrisika azy ireo mba ho vonona hatrany hiatrika ahafahana mamongotra ity valan’aretina ity