Taorian’ny tatitra sy fihaonana niarahana tamn’ireo solombavambahoaka omaly tao amin’ny CCI IVato, dia namaly ny antson’ireo Loholona ny Ministry ny Fahasalamambahoaka teny amin’ny Antenimeran-doholona Anosy androany.

Fitaterana ireo asa vita hatrany, ary fanehoana ireo fanamby goavana atrehan’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka, mba hisian’ny mangaraharaha eo amin’ny drafitrasa samihafa entina miatrika ireo aretina isankarazany no anton’ny fihaonana.

Toy ireo solombavambahoaka, dia nanome hery sy nisaotra an’Atoa Ministra sy ireo mpiasan’ny fahasalamana koa ireo loholona ny amin’ny fandraisany andraikitra anatin’izao fotoantsarotra lalovan’ny firenena izao.

Nisy ny fifanakalozankevitra izay namalian’Atoa Ministra ireo fanontaniana maro sy torohevitra ary tsikera entina hanatsarana ny asa napetrak’ireo loholona.